1. Nanatona Anao, Mpanavotra ô!
Ny olo-mahantra fahiny.
Ny rofiny be, ny senton’ny fo
Naneho fa soa no niriny.
Tsy nety ho sasatra Hianao,
Tsy nisy nolavina akory,
Fa samy nandray ny indrafonao,
Ka ravo ny olona ory.
1. O, Ry Jesosy mifaly ny foko,
Raha tsy lavitra Anao,
Ka mba mangataka indrindra re aho.
Ary mifona aminao;
Tano ny zanakao mba tsy ho very,
Tano akaiky Anao !
Zaza adala ka mety hiery,
Raha dia lavitra Anao. Lire la suite
Rédempteur adorable,
Sur la croix attaché,
Traité comme un coupable,
Brisé pour mon péché,
Ton angoisse suprême,
Ta douleur, ton tourment
Me disent : Vois, je t’aime,
J’ai pris ton châtiment.
1. Be ny mampahory
Aty, Jesosy ô!
Kely, osa, ory,
Ny mpanomponao.
Ry Mpiandry lehibe,
Anao ny tenako;
Hianao irery re,
No iankinako.
Tompo ô, ny foko
Manantena Anao.